SLKAT

SPORTS

 

FC SLKATFC_SLKAT

Tafakatra amin'ny dingana famaranana ny SLKAT rehefa nandresy ny sampana FANANTENANA tamin'ny isa 4 noho 2, ary izany dia hihaonany amin'ny sampana AFAFI mbola tsy fantatra ny daty sy ny toerana hanaovana izany. Tohano ary ny ekipantsika fa mahery ireo, ary inoana fa hibata ny amboara. Voninahitra omena an'Andriamanitra irery ihany

    Amin'ny Asabotsy 26 febroary 2011 ho avy izao izany no hatao ilay lalao famaranana izay ihaonanan'ny SLKAT sy  AFAFI, hiady tokoa ny lalao satria samy manana ny mahaizy azy ireo ekipa roa ireo, nefa raha ny hita dia mana-tombo ara-teknika kokoa ny SLKAT raha ny lalao efa natrehiny, manana ny erijika tokoa ireo mpilalao ireo ka izay no tsy azo hanaovana azy ho ambanin-javatra.

   Tongava maro ary fa tsy hanenina hianao hijery ny talentan'ireto mpilalao, indrindra ny fahaizan'ireto SLKAT izay inoana marina fa hibata ny fandresena, hisy ny lalao fanentanana alohan'ny hanomboana ny tena match.

Hj

×